FANANTENAKO (Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha)

FANANTENAKO

He fantatro ry Tompo fa Ianao
No miantoka ny fiainako hatrizao
Ny fahazazako, fahatanorako
Feno ny hasoavanao

Ref :   Fanantenako Jesosy o ! Ianao
Ilay tena tia ahy no sady tsy mandao
Fanantenako, tsy mba ho levona
Matoky aho manana Anao Jesosy o !Tsiky dia ampy


Fa kely aho dia efa nampianarinao
Fa tsy maintsy ho to ny teninao
Izay miankina Aminao
Raha toa maharitra
Handova lanitra

Ka izay rehetra momba ahy
Jesosy o ! indro apetrako Aminao
Ireo tanjona iriko
Ny hoaviko ampitso
Ankiniko Aminao


     A/C : R. Njohany
©Kanton’ny Fanantenana

Mpihira : Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
Mpamaky : 29
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jstone
Tamin'ny : 01/08/2022 22:13:39
ID : 14452

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo