HO AHY (Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HO AHY

Tsy takatry ny saiko ny fitiavanao ahy
Nafoinao ny ainao mba hisolo ahy
Niaritra ny mafy mba hamonjy anay
Misaotra Anao izahay
Nanetry tena Ianao, nando ny lapanao
Jesosy ho ahy no nahatongavanao

Ref : Ho ahy dia nohomboina Ianao
Ho ahy no niaretanao
Ilay hazo nijalianao, ny ranao latsaka,
No nanome fiainana ho ahy

Tsy ho aiko hadinoina ny namojenao ahy
Fa novonoina Ianao, maty mba ho ahy
Inona ary no havaliko Anao
Noho ny fitiavanao
Atolotro Anao ny foko hanjakao
Satria ho ahy no nahatongavanao
REf : …
Ianao Jesosy no nahatoizay ho ahy
Ianao Jesosy Ilay tena tia anay
Ianao Jesosy no nisolo heloka ahy
Ianao irery ihany no nahavita izany ho ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
Vangy : 234
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Jstone
Daty : 02/08/2022 00:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727