RAISO RE (Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
RAISO RE !
Ho anao ry Raiko tia o ! no hanaovako izao vavaka izao
Manenina indrindra anie, mitalaho ny famindram-ponao
Fa zaza be faniasia, tsy mba niaino ireo anatrao
Ankehitriny Raiko tia, faniriako hody an-tratranao

Ray o ! mifona mivalo Aminao !
Raiso aho, havaozy fa te ho Anao !
Ireo ditrako taloha, hifonako avokoa
Mba raiso re !

Ho anao mandre izao hira izao no anton’ny nihaviany tety
Fa sarobidy anie ianao, ny ainy aza foiny mba ho anao !
F’ianao no minia tsy mandre, tsy mba miaino Azy miantso anao
Ankehitriny maneke ! fa ny Tompo efa miandry anao

Raiso Jesosy ho Mpamonjy anao !
Fiainam-baovao no homeny anao !
Vohay Izy izao hitoetra ao am-ponao
Mba Raiso re !

Fa fiainam-baovao
No hatolony Anao
Ka raiso re !
A/C : Ranto RAMBELOARISON
©Kanton’ny Fanantenana-2017
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
Vangy : 311
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jstone
Daty : 02/08/2022 00:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733