You are here: home > Tononkira > Jacqueline

Jeso vahaolana (Jacqueline)

Misedra ady sarotra ve ny fiainanao
Noho ireo olana marobe izay miseho
Toa mila hampamoy fo, mampisento
Inty misy vahaolana lazaiko anao

Ref: Ao 'Lay Jesosy vahaolana ho ahy sy ho anao
Izy 'Lay fitiavanatononkira.serasera.org sy fiadanana
Raiso Izy anio, o ekeo ho Mpamonjy anao
Dia ho azonao antoka tokoa ny ho avinao

Raha toa fahoriana indray no mianjady
Aretina sy ahiahy mandratra fo
'Reo zava-tsarotra manjo iainanao
Inty misy vahaolana lazaiko anao

Mpihira : Jacqueline
Mpamaky : 1606
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Merlia
Tamin'ny : 29/02/2016 13:25:59
ID : 8109

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo