Zava-misy (Jacqueline)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny zava-misy manodidina ahy
Toa mahakivy sy mandreram-po
Korontana, ady, haratsim-panahy
Aretina sy loza maro koa
Ny saiko sy ny tenako malemy
Eo anoloan'ireo zava-manjo
Tsy vitako ny hiharitra ny memy
Koa velomy Tompo ny finoako

Izy rehetra ao anaty foko
Na ny fisainana, fironana
Dia ratsy foana ka mampitoloko
Toa hitondra fihemorana
Kanefa noho ny famindramponao
Jesosy o! Ny otako avelao
Amboary re ny fiainako izao
Ho feno ny fanahy, ho tonga toa anao

Ny fikasana dia mba misy ihany
Fa ny fanaovana no sarotra
Olo-mahantra aho ka mitomany
Toa tsy ho tafarina, tsy ho avotra
Koa ny finoako Tompo atanjaho
Dia tovy amiko ny Teninao
Hihoatra noho ny mpandresy aho
Ho masina, ho tonga olom-baovao

Na inona mihatra eto an-tany
Ianao Jeso dia mbola eo koa
Vonon-kanampy hamafa tomany
Vonon-kanova hanavao ny fo
Koa dia tsy hirona ny finoako
Na inona na inona anjarako
Na fahafatesana tsy hahoako
Satria Kristy Jesosy eo anilako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jacqueline
Vangy : 1360
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Merlia
Daty : 29/02/2016 14:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0882