You are here: home > Tononkira > Jacqueline

Izay sitrakao (Jacqueline)

Izay sitrakao ry Tompo no mba tiako koa
Satria ny anjara avy Aminao dia fiainana soa
Na misy aza ny mahory sy mihatra
Ianao no efa nitondra ny ratra

Ref: Izay sitrakao Ray dia hifaliako
Ianao no mahay tononkira.serasera.org'zay faniriako
Apetrako eo an-tananao 'zay mahasoa
'Zay saraka Anao dia tsy afaka mamoa

Ianao irery mantsy no tsy mba mandao
Fa miovaova sy mandalo izao rehetra izao
Irin'ny foko hatrizao dieny eto
Mba ho izay sitrakao dia ekeko

Mpihira : Jacqueline
Mpamaky : 1452
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Merlia
Tamin'ny : 29/02/2016 13:24:34
ID : 8107

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo