You are here: home > Tononkira > Iraimbilanja

Bebenay (Iraimbilanja)

https://tononkira.serasera.org/hira/iraimbilanja/bebenay

Tokontany sisa no falehany
Vodilanitra no zara fa tazany
Zafikely sisa no mba namany
Misangisangy sy mihaino ny tantarany

Tongotra efatra no nandadizany
Tongo-droa no nivezivezeny
Tongo-telo sisa no milahatra
Miampy tehina iray zaytononkira.serasera.org ro tsy hilatsaka

Bebenay efa manjoko
Ny volony aza efa niova loko
Mitantara angano rehefa hariva
Hoentina hiandry ny ampitso

Mbetika izy no mitomany
Mahita setroka miakatra any ambony any
Reo lova be zay novoleny
Ny mandoro ny tanety, zavatra tsy ekeny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Iraimbilanja
Mpamaky : 4185
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Iketaka
Tamin'ny : 16/04/2003 16:11:46
ID : 1599

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo