Volana (Iraimbilanja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indraindray tapany ihany
Nefa ampy tsara ny hazavany
Indraindray tsy hita intsony
Lasana nandeha antoeran-kafa
Indraindray feno daholo
Tonga mitsidika antsika manontolo
Io amin’izay lay nandrasana
Taba sy korana, tonga jiron'ny tanana

Volana ô hitondray aty
Ilay somambisamby
Volana ô hivimbino aty
Ilay fenomanana

Matetika izy arahin’ny kintana
Sakaiza mpiaradia sy mpifankatia
Matetika izy saron’ny rahona
Tsy ankasoparana fa raiketam-pitia

Eo foana izy andro na alina
Tonga mamangy sy mitaratra andry
Eo foana izy fa tsy tazana
Avelao hiditra hatrany ampandriana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Iraimbilanja
Vangy : 4490
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rakotoarimanana Jean Luc dera
Daty : 25/10/2003 20:31
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1353