Vonona hatrany (Hagay Groupe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                                                            
                                     VONONA HATRANY
Vonona hatrany ny hanao ny asanao ry Ray Tsitoha
Na inona iseho,na inona itranga,mety hanjo
Hijoro hatrany satria ianao no Kapiteny
Tsy maitsy tafita rehefa IANAO,IANAO no miteny

Miasa Ianao ka tsy isy ahasakana
Fa raha herin'olombelona ihany mety ho lasana
Fa izay rehetra avy Aminao dia mitoetra
Tsy mba hiala mihitsy ary koa,
Ary koa tsy handao

RAY o,Ianao no mamatsy
Ianao no manome,
Ka ilay talenta anatinay e e
Entinay hanomezana ny voninahitra Anao
Ny dera sy laza,atolotray izao
RAY o,Ianao no mamatsy
Ianao no manome
Ka ilay talenta anatinay e
Entinay hanomezana ny voninahitra Anao
Fa Ianao,Ianao no anton'izao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Hagay Groupe
Hits : 70
Likes : 0 Like
Created by : HERILANTO28
Date : 24/05/2025 10:54
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0908