Ampidiro aloha ny tenimiafina
Saino tsara (Hagay Groupe)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Saino tsaraTsy mety tonga saina oa raolombelona
Androany mifona, ny ampitso mamerina
Tsy mety fay mihintsy toa manararaotra
Ny fahatsoran'ilay Ray zay miala nenina
Koa saino tsara, zay ho avinao
Fa ny vola tsy mahavita hamafa ny trosanao
Aza mihenahena sao dia tara ianao
Kely sisa ny fotoana, omano ny dianao
Dia mivezivezy foana tsy hita hoe manahoana
D'efa manantena, mitoky amin'ny harena
Ataony voavidy vola ilay fanekena
Raha mivadika koa ny Tompo, eo izy no tavela
Dia variana amin'ny rendrarendran'izao tontolo izao
Dia miliba amin'izay ato, tsy menatra mihintsy ianao
Oe misy mijery, mandinika tsara anao
Ka izay nafafy ihany no hojinjainao
Koa saino tsara, izay ho avinao......
Koa saino tsara ny hafatra tiany ambara e
Mianaloha fa tsy mianafara sao ratsy fiafara
Mandeha ary ny tantara fa ny nenina anie ao afara
Na hiankavia ianao na hiankavanana
Tsy misy afa-miala, mandalo fitsara
Eo ianao vao mihanahana, be mantsy ny adalana
Hiandry kapoka mahamay ianao ve zay vao hibebaka
Sao lahy diso aoriana re, tapaho ny hevitra
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Hagay GroupeVisites : 255
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : HERILANTO28
Date : 29/04/2025 11:28
