Ho aiza ianao (Hagay Groupe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho aiza ianao

O mitraka, mitsangana
O mihazava, ndao namako ô
O o o, O mitsangana
Ah ! ah ! ah ! .....
Mitsangana mitraka, aza milavo lefona
Valim-piakarana fidinana, 'zany fiainana
Ny ampitso tsy fantatrao, ‘lay maraina vao
Andao, andao mitsangana ianao

Be ny ratsy vitanao mandehana mibebaha
Fantany tsara ianao, tsy tanteraka namako ô
Aza mihemotra intsony ianao
Ny Tompo anie tianao
Andao, andao mbola ho aiza ianao

Ref :
O ilazao, ilazao ny havanao
O ambarao, ambarao amin’ny namanao
Fa ny Ray ao ambony ao,mbola miandry anao
Andao, ho aiza intsony ianao

Raiso ny safidinao, saino tsara izay atao
Fa raha vonona anie ianao
Ho tonga olom-baovao
Izy efa miantso anao, mandrosoa izao
Andao, andao sao taraiky ianao

Be tokoa ny ahiahy, ranomaso lava izao
Fijaliana lalandava, fahoriana mankalaho
Ny azoko ambara havako, o ry namako
Andao, fa ny Tompo anie tsy hamelanao

Ref : O ilazao, sns
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hagay Groupe
Visites : 399
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : HERILANTO28
Date : 15/05/2025 10:17
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1692