You are here: home > Tononkira > Groupe AINA

Anjara-toerako (Groupe AINA)

Eny hoy aho tamin'izay
Izay angamba no ahiko
Toy ny maso sy sakay
Izaho sy ilay nantenaiko

Nantenaiko ho namana
Iarahana hiatrika
Hiatrika ny fiainana
Kizokizo feno fandrika

Tsy mba nisy  masoandro
Nentiko nitantana anao
Zavona sy ranon'ando
Tao aho no niandtononkira.serasera.orgry anao

Ny hatsiaka mamanala
Ny rivotra nitsoka mafy
NIiazona ahy tsy hiala
Ireo herika nifafy

Lasa ianao,lasa tany
Nentinao ny hafaliako
F’izaho kosa nitomany
Rotika ny fitafiako

Sentosento pitrapitra
Ny fanahy no nitserako
Hitsinjo ny andro ho ritra
Izay, 'zay no anjara-toerako

Mpihira : Groupe AINA
Mpamaky : 1051
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Nosiklarita
Tamin'ny : 27/06/2016 08:15:12
ID : 8644

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo