Vacances (Groupe AINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
'Njao manako any ho any
Manenika ny habakabaka
Ny horakoraka sesilany
Ny haravoana am-po amam-panahy

'Ndreo zatovo lahy sy vavy
Miaraka mitotorebika
Toa tsy veto, eto an-tany
Asidin-kafaliana an-danitra any

Vita mantsy ilay nanahirana
Nandritr'iny taom-pianarana iny
Maivamavaina ny fo amam-panahy
Tonga ny fialana sasatra

E Izany antsoantsony
Manainga izay rehetra mahare
Tsy haharitra ny hitazana
Mandrisika hirotsaka handidy

'Ndreo zatovo lahy sy vavy
Miaraka mitotorebika
Toa tsy veto, eto an-tany
Asidin-kafaliana an-danitra any

Vita mantsy ilay nanahirana
Nandritr'iny taom-pianarana iny
Maivamaivana ny fo amam-panahy
Tonga ny fialana sasatra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe AINA
Vangy : 2367
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nosiklarita
Daty : 27/06/2016 10:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754