MATORIA (Groupe AINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matoria izany havako izany
Ary koa manofisa tsara
Matoria fa aza tomany
Fa rotsiako amin'ny feon-gitara

Matoria izany havako izany
Miondana eto an-tratrako
Adinoy ny lasantsika omaly
Eo henoy izany hirako

Hira tsotra iray no hatolotro anao
Nataoko hampisinda ny alahelonao
K'aza dia tomany ianao
Fa izaho dia mbola tia anao

Matoria izany havako izany
Miondana eto an-tratrako
Adinoy ny lasantsika omaly
Eo henoy izany hirako

Matoria izany havako izany
Ary koa miandrasa ny maraina
Fa izany anie ny eto an-tany
Tsy mba mety hilaozan-taraina

Matoria izany havako izany
Aoka izay ny sentosentonao
Matokia fa manomboka androany
Hitombo ny fitiavako anao

Hira tsotra iray no hatolotro anao
Nataoko hampisinda ny alahelonao
K'aza dia tomany ianao
Fa izaho dia mbola tia anao

Matoria izany havako izany
Aoka izay ny sentosentonao
Matokia fa manomboka androany X2
Hitombo ny fitiavako anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe AINA
Vangy : 1857
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : cintak
Daty : 16/07/2018 16:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753