Ho vokatra tsara (FANANTENANA ANTSA-FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho vokatra tsara

Ny teninao no nanilo anay
Hatrizay nanompoana Anao
Na sarotra na mora, ty asa fanompoana
Niredareda…….. ty fo te-hamonjy

Taona maro lasa izay ry Tompo,
Nisedra sy niaina ireo mamy
Fa nijoro; nitraka ty fiangonanao
Endrey ny fitahianao ry Tompo


Eo anilanao, ny fiainanay rehetra
Tompo ô asehoy anay ny Ray
Dia hamokatra tsara, ny tanim-boalobokao Dia ho mamy,
Ary ho vatsy sy aina


2/ Fa maro ny ondry tsisy mpiahy
Mampanontany tena anay
Aiza Ianao Tompo ô! hiaraka aminay
Mba hamitrana, ny fo sy fanahiny

Fantatray fa mihaino vavaka
Andriamanitra; tsy miangatra
Sokafy re ny fony; mba hiaina ny Teninao
Tsy olon-kafa intsony : ‘’Efa ankohonanao’’


Tsy hitsahatra,
ny hidera Anao aho
Fa soa sesehena no natolotrao
Ndreto izahay, fiangonanao, Hanavao …
Ny fanekena hanompo Anao

Tsy hitsahatra ny hidera Anao aho
Fa soa sesehena natolotrao
Sahinay izao, manambara hoe ... Ho Anao,
Ny haja, dera, voninahitra

Eo anilanao, ny fiainanay rehetra
Tompo ô asehoy anay ny Ray
Dia hamokatra tsara, ny tanim-boalobokao Dia ho mamy,
Ary ho vatsy sy aina

A/C RAKOTOMALALA Clement
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FANANTENANA ANTSA-FI
Visites : 205
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Touknambs
Date : 13/01/2025 09:22
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0682