Ho vokatra tsara (FANANTENANA ANTSA-FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho vokatra tsara

Ny teninao no nanilo anay
Hatrizay nanompoana Anao
Na sarotra na mora, ty asa fanompoana
Niredareda…….. ty fo te-hamonjy

Taona maro lasa izay ry Tompo,
Nisedra sy niaina ireo mamy
Fa nijoro; nitraka ty fiangonanao
Endrey ny fitahianao ry Tompo


Eo anilanao, ny fiainanay rehetra
Tompo ô asehoy anay ny Ray
Dia hamokatra tsara, ny tanim-boalobokao Dia ho mamy,
Ary ho vatsy sy aina


2/ Fa maro ny ondry tsisy mpiahy
Mampanontany tena anay
Aiza Ianao Tompo ô! hiaraka aminay
Mba hamitrana, ny fo ghfquw sy fanahiny

Fantatray fa mihaino vavaka
Andriamanitra; tsy miangatra
Sokafy re ny fony; mba hiaina ny Teninao
Tsy olon-kafa intsony : ‘’Efa ankohonanao’’


Tsy hitsahatra,
ny hidera Anao aho
Fa soa sesehena no natolotrao
Ndreto izahay, fiangonanao, Hanavao …
Ny fanekena hanompo tononkira.serasera.org Anao

Tsy hitsahatra ny hidera Anao aho
Fa soa sesehena natolotrao
Sahinay izao, manambara hoe ... Ho Anao,
Ny haja, pnob dera, voninahitra

Eo anilanao, ny fiainanay rehetra
Tompo ô asehoy anay hplxmxg ny Ray
Dia hamokatra tsara, ny tanim-boalobokao Dia ho mamy,
Ary ho vatsy sy aina

A/C RAKOTOMALALA Clement

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FANANTENANA ANTSA-FI
Hits : 374
Likes : 1 Like
Created by : Touknambs
Date : 13/01/2025 09:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.049