HIDERA ANAO HATRANY (Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Hidera Anao hatrany aho,ry Tompo Andriamanitra o
Ho santatr'ilay aminao ery
Hanompo Anao hatrany e hijoro mamiratra mandra-pihavinao etì

Refrain :
Hihazona ilay finoana nomenao e,h
Hamita ireo nasainao atao a
Koa na esoina tsy hirona fa ho toa anao e
Hizara hatrany ireo teny masinao

Iriko indrindra Ray
Raha hazoninao mafy ihany izany hetaheta anatiko ao
Fa ny fanambinay
Ho Andon'ny Lanitrao hatrany ka tsy mba hiala eo aminao

Ny foko Tompo o hanjakao
Hihazona ny ananako aho
Ka raha ho avy faingana ianao
Hiandry ahy ilay Jerosalema vao


2. Hihira ho anao hatrany aho ry Tompo Andriamanitra o
Ho santatr'ilay aminao ery
Hiasa ho anao hatrany e, hijoro ho irakao Mandra-pihavinao ety
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA
Vangy : 140
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : macmac
Daty : 09/12/2023 16:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2114