Omeo fo mino (Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA [FJKM Ziona Famonjena Imerintsiatosika])

Ray ô, tariho sy hamasino
Mba sakambino ‘zahay zanakao
Hianao ry Rainay no antenainay
Hambomba anay
Omeo fo mino tsy hanadino
Anao ry Rainay, ho mandrakizay

Jeso ô, mpamonjy
Ry mofon’aina
Ô mba vokiso, ny fanahinay
tononkira.serasera.orgFa manantena ny famonjena
Hatolotrao
Omeo fo mino tsy hanadino
Anao mpamonjy, ho mandrakizay

Ô ry Fanahy, fanahin’ny Ray
Bitsibitsiho ny fanahinay
Ô mba tsilovy, dia mba arovy
‘Zao lalanay
Omeo fo mino tsy hanadino
Anao Fanahy, ho mandrakizay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA [FJKM Ziona Famonjena Imerintsiatosika]
Mpamaky : 5962
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : macmac
Tamin'ny : 19/07/2014 16:19:53
ID : 6613

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo