Fisarahana (Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA [FJKM Ziona Famonjena Imerintsiatosika])

Raha ho avy jesoa, ilay ora izay
Hifandaozanay amin'ny namanay
Ka voatery hifandao, noho ny lalana izay
Efa voasoritrao, tinendrinao ho anay

O mba trotroy, koloy amin'ny sandrinao
O mba tantano, sy mba tohano ny fitiavanao
Tsy ho resy na hilofika izahay,
Fa efa eo ianao, toky sy aronay
Fiononam-po mbaTsiky dia ampy ho anay

Raha ho avy tokoa, ny alahelo ao am-po
Raha tojo ny fisarahana  
Mahatsiaro ireo fiarahana taloha
Miara-manandra-peo mihira ho anao

O mba omeo ny finoana, fa hisy ny fotoana  
Tsy maintsy mbola  hiaona anilanao ry Ray
Ka ho rava ilay, ilay fonay maloka
Tojo hafaliana soa, anilan'ny tsitoha
Ho mandrakizay doria tokoa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA [FJKM Ziona Famonjena Imerintsiatosika]
Mpamaky : 618
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : macmac
Tamin'ny : 05/11/2014 11:30:58
ID : 6816

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo