RAISO AHO (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

https://tononkira.serasera.org/hira/cff-chorale-foibe-fpvm-taninanandrano/raiso-aho

Raiso aho ho Anao Ry Jesoa Tompo ô!
F'efa vonon-kanaraka Anao aho Jesoa
Malemy ity mpanompo tsy manana Anao
Ka mba raiso aho hanaraka Anao

Mino aho mino aho fa tsy ho lavinao
'Zany hetahetako izany Ry Ray
Fa maniry aho Jesoa ny ho olom-baovao
Ka mba raiso aho Tsiky dia ampyhanaraka Anao

Indro atolotro koa izany foko Jesoa
Fa efa trotraka sy efa malemy tokoa
Mila ny herinao hampahery ahy izao
Ka mba raiso aho hanaraka Anao

Fantatrao Jesoa itony diako ety
F'ianjadian'ireo fahoriana tokoa
Nefa inoako Jesoa fa Hianao momba ahy
Ka mba raiso aho hanaraka Anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)
Mpamaky : 66
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : H.A.J.
Tamin'ny : 09/08/2020 20:51:05
ID : 12983

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo