Adim-panahy (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitambesatra ny adim-panahy
Valaketraka ny ondrinao,
Mitaraina sy mandadilady
Jesosy ô ho aiza intsony moa aho
Iza moa no hitarainako ety e!
Raha miodina Hianao very aho
Aizim-pito mandrakotra dia
Mba tsinjovy re ny zanakao (nahoana e)

Nahoana loatra e! Ry Raiko
'zao no hasalotrao ahy
Aza ela fa reraka ny aiko
Mba hatsory ilay Tànanao

Teny malefaka sy tambitamby
No nandrasan' izandry 'zay toa resy an'ady
Kanjo daroka mafy sy teny nandratra
No tambiny avy any ka nandadilady
Tsy fantany mantsy fa misy any ho any
Mijery ity zandry izay feno toreo
Andrasako ihany, andrasako eto,
Andrasako foana, na mila ho leo

Soa fa mandalo ihany izany
Antenaiko fa ho avy Hianao
Hampitsiky ity zandry tomany
Hanasitran'ity ratra vao (nahoana e)

Nahoana loatra e! Ry Raiko
'zao no hasalotrao ahy
Aza ela fa reraka ny aiko
Mba hatsory ilay Tànanao

Na mafy aza ny ety e!
Mino aho f’Ianao momba ahy
Hampahery hitantana dia
Dia hisinda ny adim-panahy
Zay no vetson'ity zandrinao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)
Hits : 2846
Likes : 1 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 15/04/2016 16:19
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724