Tsy miady irery (Asafia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Fanantenan'i mino raha mbola eto an-tany
Dia Ianao tsy mba mandao na mangidy na ny mamy
Ny fiainana isan'andro miankina Aminao
Tsy manahy izay miseo
Satria eo an-tànanao

Ref: Fantatray tokoa ny ady sarotra
Reraka ny fo raha mbola hikaroka
Izay any an-kafa indray fa eo Ianao ry Ray
Izay matoky Anao tsy miady irery 'lay Ray tsy mba mandao fa mampahery
Tsy mampanahy ny ho avy

2) Rezary isan'andro ka manahiran-tsaina
Vaovao ratsy etsy sy eroa ka tao sarotra ny miaina
Fa efa voalaza anefa fa fahoriana ety
Izay mitranga rehetra tena misy antony

Ref: Fantatray tokoa ny ady sarotra
Reraka ny fo raha mbola hikaroka
Izay any an-kafa indray fa eo Ianao ry Ray
Izay matoky Anao tsy miady irery 'lay Ray tsy mba mandao fa mampahery

Ref: Fantatray tokoa ny ady sarotra
Reraka ny fo raha mbola hikaroka
Izay any an-kafa indray fa eo Ianao ry Ray
Izay matoky Anao tsy miady irery 'lay Ray tsy mba mandao fa mampahery
Tsy mampanahy ny ho avy

Tsy mampanahy ny ho avy
Tsy mampanahy ny ho avy
Tsy mampanahy ny ho avy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafia Ambodihady
Vangy : 9
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nathakely08
Daty : 14/05/2026 05:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0345