Izaho sy ny ankohonako (Asafia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa raha izaho sy ny ankohonako
Dia ny eo akaikinao eo no mahatsara anay
Satria fahasoavanao Jesoa no nahatoy izao anay
Noraisinao an-tanana ka ravo ny fanahy

Ka na mora na sarotra
Ianao no nampianatra
Hahay hatoky Anao zahay
Amin'ny andronay rehetra
Miposaka aminay 'lay masoandrom-pitahiana
Ny fiainanay eo anilan-dRay
Lavitr'ahiahy Jesoa 'lay manda toky herinay

Fa raha izaho sy ny ankohonako
Efa nanaiky Anao eo am-bava sy ao am-po
Na fihetsika na koa fitafy na teny ambaranay
Tsy hanehoanay zava-dratsy
Ho mendrika Anao Ray

(Ka na mora na sarotra
Ianao no nampianatra
Hahay hatoky Anao zahay
Amin'ny andronay rehetra
Miposaka aminay 'lay masoandrom-pitahiana
Ny fiainanay eo anilan-dRay
Lavitr'ahiahy Jesoa 'lay manda toky herinay) x2
(Jesoa 'lay manda toky herinay) x2

A/C: Dera Dafr
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafia Ambodihady
Vangy : 408
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tsikinavalona
Daty : 15/11/2022 10:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5804