Tsara sy soa (Asafia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsara sy soa ny fiainana anilan-dRay
Fa misy azo hitarainana raha mahamay
Tsy misy afa-mandrombaka 'reo fahavalo
Satria Mpiaro azo antoka Ilay niantso

Satriko hoe eo mandrakariva
Na mifaly na koa misedra fahoriana
Tsisy fetra ny fiderako
Ka lazaiko fa Izy Tompo sy Mpiaro
Raha eo tokoa eo anilan-dRay Tsitoha

Madio ny fo sy fisainana anilan-dRay
Fa lo ny fomba fiainana raha lavitr'Azy
Tiako raha Izy no miady ho ahy ety an-tany
Satria re tsy nofo aman-drà izany ady izany

(Satriko ho eo mandrakariva
Na mifaly na koa misedra fahoriana
Tsisy fetra ny fiderako
Ka lazaiko fa Izy Tompo sy Mpiaro
Raha eo tokoa eo anilan-dRay Tsitoha)x 2

A/C: Lalaina Davidson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafia Ambodihady
Vangy : 326
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tsikinavalona
Daty : 15/11/2022 12:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746