Avia Zanako (Asafia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avia zanako, manaraha ny lalako
Fa ianao 'lay nofinidiko asan-tanako
Ary aoka ho adidiko
F'Izaho no momba anao
Aza manana ahiahy foana f'Izaho tia anao
N'aiza n'aiza misy anao
Amin'ny zavatra atao
Dia ataovy toy ny hoe eo anilanao eo foana Aho

Ndeha torio ny filazantsara ho ren'ny olona
Hamafiso ny finoanao ho mafy orina
Mandehana ianao ka sahia manambara lazao
Fa indro Aho momba anao hatrany Aho zanako

Avia zanako, manaraha ny lalako
Fa ianao 'lay nofinidiko asan-tanako
Ary aoka ho adidiko
F'Izaho no momba anao
Aza manana ahiahy foana f'Izaho tia anao
N'aiza n'aiza misy anao
Amin'ny zavatra atao
Dia ataovy toy ny hoe eo anilanao eo foana Aho

Miorena tsara ianao
Aza miova
Ny hevitra hiheverako anao tsy ho loza
Mandehana ianao ka sahia manambara lazao
Fa indro Aho momba anao hatrany Aho zanako

(Mandehana ianao ka sahia manambara lazao
Fa indro Aho momba anao hatrany Aho zanako) x3

Avia zanako

A/C: Dera Dafr
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafia Ambodihady
Vangy : 349
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tsikinavalona
Daty : 15/11/2022 10:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1015