Fanahy Masina (Asafia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fofonain'i Jesoa
No indro atolony anao
Mba ho famonjena anao
Moa ve ho raisinao?

Ref: Ny handraisana ny Fanahy dia tsotra
Mihaino teny famelan-keloka
Mandre ny teny fahasoavana
Miaina amy tenin'Andriamanitra

Io no tombon-kase
Marika ho an'izay
Voantso mankamin'ny fiaina-mandrakizay

Ref: Ny handraisana ny Fanahy dia tsotra
Mihaino teny famelan-keloka
Mandre ny teny fahasoavana
Miaina amy tenin'Andriamanitra

Ny Fanahy Masina
No mampianatra
Ary mikolokolo
Hanao ny marina

Ref: Ny handraisana ny Fanahy dia tsotra
Mihaino teny famelan-keloka
Mitandrina ny tenin'Andriamanitra
Dia lasa fonenany mandrakizay

Ny fofonain'i Jesoa
No indro atolony anao
Mba ho famonjena anao
Moa ve ho raisinao?

A/C: Ratovonoharimampianina Henintsoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafia Ambodihady
Vangy : 340
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tsikinavalona
Daty : 15/11/2022 09:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716