Mpandresy (Asafia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ireo sedra maro nolalovako
Dia nanefy ahy hitombo ara-panahy
Natanjaka ny foko ka nampitombo ny finoako
Teo reo fahavalo izay naneso ahy
Tena nampimalo f'Ianao nanandratra ahy
Voahoso-potaka aho fa nodiovinao
Ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy

Ny fiainako Tompo ô efa natokako ho Anao
Ka na mafy ny ady atrehiko
Izaho matoky Anao
Hiaretako zay mety ho fitsapanao ahy
F'efa safidiko ka hofikiriko
Ny tananao mahery mitsotra mihazona ahy
Ka mampijoro ahy handresy foana izay sarotra

Ireo sedra maro nolalovako
Dia nanefy ahy hitombo ara-panahy
Natanjaka ny foko ka nampitombo ny finoako
Teo reo fahavalo izay naneso ahy
Tena nampimalo f'Ianao nanandratra ahy
Voahoso-potaka aho (Voahoso-potaka aho) fa nodiovinao
Ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy

Ny fiainako Tompo ô efa natokako ho Anao
Ka na mafy ny ady atrehiko
Izaho matoky Anao
Hiaretako zay mety ho fitsapanao ahy
F'efa safidiko ka hofikiriko
Ny tananao mahery mitsotra mihazona ahy
Ka mampijoro ahy handresy foana izay sarotra

(Tsy mba notsarovanao ny heloko
Fa fanambinana indray no azoko
Vao mainka fisandratana isan'andro ny fiainako
Ka misaotra Anao tokoa fa tena afa-po)x2

Ny fiainako Tompo ô efa natokako ho Anao
Ka na mafy ny ady atrehiko
Izaho matoky Anao
Hiaretako zay mety ho fanenjehana ahy
F'efa safidiko ka tsy ho ahifiko
Ny tananao mahery mitsotra mihazona ahy
Ka mampijoro ahy handresy foana izay sarotra
Mpandresy aho mpandresy aho manana Anao
Mahery aho, matanjaka aho tantananao
Haleloia mpandresy aho manana Anao
Haleloia mahery aho tantananao
(Mpandresy aho)x3

A/C: Todisoa Lalaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafia Ambodihady
Vangy : 362
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tsikinavalona
Daty : 15/11/2022 13:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1176