Mangoraka ny fo (Asafia Ambodihady)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Mangoraka ny foMahita ny manjoa!
Mba te hitroatra fa mba ho aiza mo?
Mahantra Anao ry Ray ny tanindrazanay
Mba tianay hiavana aminao izahay
Ref: Mba hiantrao fa mahonena izahay Tompo oh
Fa maro be ireo ota izay mangeja anay ô mba vonjeo
Mba hamindrao fo avelao ny helokay Tompo ô
Fototr'izay tena mampahantra anay
2)Manetsika ambom-po
Ireo famoizam-po
Mitranga eto amin'ny nosinay
Ka rerak'izahay
Fa lavitra anay ny hiverina Aminao 'lay nekenay
Ref: Mba hiantrao fa mahonena izahay Tompo oh
Fa maro be ireo ota izay mangeja anay ô mba vonjeo
Mba hamindrao fo avelao ny helokay Tompo ô
Fototr'izay tena mampahantra anay
Fitiavan-tena, fankahalana no aminay Tompo ô
'Reo soa toavina dia indro narinay: fihavanana
Mba hamindrao fo avelao ny helokay Tompo ô
Fototr'izay tena mampahantra anay
Fototr'izay tena mampahantra anay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Asafia AmbodihadyVangy : 8
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nathakely08
Daty : 14/05/2026 05:45