NAMAKO (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NAMAKO
Namako oh! Mba fantarao va ré eh
Mandalo ihany izao fiainanao izao
Fa any ho any dia misy fifaliam-be
Nomanin ‘ Andriamanitra ho anao

Namako oh! Ny ho avinao jereo
Avy manantona fa mbola ho indray
Jesoa manambitamby miantso anao ekeo
Fa Izy niandry anao zay ela izay

Ref :K’aza mangataka andro intsony ianao
K’aza mandà ny antsony ianao
Fa raha mbola atao hoe anio
Zao no tsarovy tadidio
Fitiavany anao raiso ho famonjena anao
Ry namako oh, ry namako oh hevero ny aminao

Namako oh! Ny tenanao omeo
Zay tena hevitrao anio tapaho
Ny fiholakolakao hajanony hatrep
Fa Izy mahay manova ho vaovao

Namako oh! Ny fiainanao vonjeo
Ka aza dia variana milalao
Ny zavatr’hita eran-tany efa maneho
Fa ho avy ilay Andriamanitrao

Ref : Ry namako oh …

Bridge :
K’aza mba mafy fo na mafy Atoka koa
Fa fantaro tokoa ny amin’ilay JESOA
Raha mbola misy ny famindram-po
Ho anao mihaino io zao no tadidio
Ny antsony mba valio famonjeny hitafio
Sao tsy misy intsony ny ankotra ny anio

Ref : Ry namako oh …
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 517
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LouvRkt
Daty : 26/03/2021 16:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763