NAMAKO (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NAMAKO
Namako oh! Mba fantarao va ré eh
Mandalo ihany izao fiainanao izao
Fa any ho any  dia misy fifaliam-be
Nomanin ‘ Andriamanitra ho anao

Namako oh! Ny ho avinao jereo
Avy manantona fa mbola ho indray
Jesoa manambitamby miantso anao ekeo
Fa Izy niandry anao zay ela izay

Ref :K’aza mangataka andro intsony ianao
K’aza mandà ny antsony ianao
Fa raha mbola atao hoe anio
Zao no tsarovy  tadidio
Fitiavany anao raiso ho famonjena anao
Ry namako oh, ry namako oh hevero ny aminao

Namako oh! Ny tenanao omeo
Zay tena hevitrao anio tapaho
Ny fiholakolakao hajanony hatrep
Fa Izy mahay  manova ho vaovao

Namako oh! Ny fiainanao vonjeo
Ka aza dia variana milalao
Ny  zavatr’hita eran-tany  efa  maneho
Fa ho avy  ilay Andriamanitrao

Ref : Ry namako oh …

Bridge :
K’aza  mba  mafy  fo na mafy  Atoka koa
Fa fantaro  tokoa ny amin’ilay JESOA
Raha mbola misy ny famindram-po
Ho anao mihaino io zao no tadidio
Ny antsony mba valio famonjeny hitafio
Sao tsy misy intsony ny ankotra ny anio

Ref : Ry namako oh …  
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antsafi
Visites : 572
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : LouvRkt
Date : 26/03/2021 16:09
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0818