Tsapako ny fijalianao (Biby masiaka) (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Jesoa ô, tsapako ny fijalianao
Eny, tsy tantinao
Ho setrin'izany, inty aho mifona re
Mamelà ny helokay ... Amen!

Ref: 'zay sendra ahy, toa maneso avokoa
Mitanatana vava, mihifikifi-doha
Biby masiaka, romotra jerena
Roahina tsy mety, fa toa mihenahena

II. Kristy ô, tsapako ny fijalianao
Eny, tsy tantinao
Ho setrin'izany, inty aho mivalo re
Mamelà ny helokay ... Amen!

III. Tompo ô, tsapako ny fijalianao
Eny, tsy tantinao
Ho setrin'izany, inty aho mibaboka e
Mamelà ny helokay ... Amen!
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/antokom-pihira-vetsoni-siona/tsapako-ny-fijalianao-biby-masiaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Vangy : 371
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Avotra23
Daty : 24/09/2020 18:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0732