FAINGANA RE RY ORA SAROBIDY (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

https://tononkira.serasera.org/hira/antokom-pihira-vetsoni-siona/faingana-re-ry-ora-sarobidy-1

1 -Faingana re, ry ora saro-bidy
Handraisako ny Tompo mamiko :
Fa ela loatra izay niandrasako izay
Izaho te-handray ny Tompoko.

Fiv: Ry Jesoa Hostia mamin'ny fonay e
Avia re anjakao izahay e ;
Fa Ianao no Zoky malalanay e
'Zay tianay hiray tena aminay.
Ry Jesoa Hostia tononkira.serasera.orgmamin'ny fonay e
Avia re, anjakao izahay.

2 - Tsy fantatro 'zay fanomezana mety
Hatolotro ny Tompo mamiko :
Ny foko re no omeko Anao, Jesoa o,
Fa ny foko no tadiavinao.

3 - Atolotro Anao, Andriamanitra,
Ny tenako sy ny fanahiko :
Ny zavatra angatahiko aminao
Dia ny tsy hiala amin'ny tongotrao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Mpamaky : 363
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : prydzeric0
Tamin'ny : 18/06/2019 17:01:27
ID : 11829

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo