Aza manary toky (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Somebisebin'alahelo,
Mangidy, mafaitra ny fiainana,
Tsy indroa tsy intelo
Tsy voatanisa ny fitarainana.

Fa na dia resy sy trotraka, lavo sy tsy te hiarina,
Dia tsarovy fa mahery ny Tompo, hitany ianao na dia sahirana aza

Ref. Aza manary toky,
banjino ny lanitra.
Fa na misy aza
Ny orana, rahampitso mibaliaka mahafinaritra.
koa mitrakà,
mijoroa, sahia miharitra,
Sotroy ny kapoakanao, eny na dia hoe mafaitra sy sarotra.

2.Miezaka manao ny tsara sy mety,
Mba hijinja fifaliana sy valisoa,
Indrisy anefa fa mahatsiaro resy,
Ka ozona sy latsa no mitampody sy mahavoa.

'Zany anefa tsy atao sakana, tohizo ny efa natomboka,
Antenao hatrany ny herin'ny Tompo, hitany ianao na dia mihosom-bovoka.

© Vetson'i Siona 2020
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Vangy : 756
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Avotra23
Daty : 24/09/2020 07:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4888