AMBARAO E (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

https://tononkira.serasera.org/hira/antokom-pihira-feo-mamy-fjkm-ankadindramamy-fahazavana/ambarao-e-1

Izao anio izao no fotoana
Hitorinao ny famonjena
Sao ho avy Jesosy ka ho neninao
Tsy vita ny asany
Ambarao fa efa vitany
Ny helokao efa nodioviny
Malala no hiantsony anao izao
Midira amin'ny fifalian'ny Tomponao

Ambarao é ny famonjena
Fa mbola maro 'reo ho vonjena
Fa fifaliambe an-danitra any
Raha misy olona izay miova fo

Mandehana ambarao ny teny soTsiky dia ampya
Aza asina andrasondraso kely aloha
Sao ho tratra ny hariva indray ka ho tara ianao
Tsy vita ny asany
Aza avela tsy hisy handre ny teniny
Ambarao ny famonjena noentiny
Mba tsy hisy intsony ny hiantso antso hoe
Izaho tsy nandré, izaho tsy nandré

Ambarao é ny famonjena
Fa mbola maro 'reo ho vonjena
Fa fifaliambe an-danitra any
Raha misy olona izay miova fo

Michel RAKOTOARISOA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Mpamaky : 213
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zeea
Tamin'ny : 08/05/2019 09:57:48
ID : 11679

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo