Andriamanitra Ray Tsitoha (Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A))

https://tononkira.serasera.org/hira/antoko-mpihiranny-andonny-lanitra-antohomadinika-a.m.a.l.a/andriamanitra-ray-tsitoha

Ndreiky tsara Anao
Andriamanitra Ray Tsitoha
Fa avy Taminao jiaby zeigny
Ty raha jiaby atoy eee !
Iny masoandro antsinanana iny
Asan-tananao, avy Taminao
Ny maraina mitondra hatsarana vao
Asan-tananao, avy Taminao
Tsika jiaby anakan-Janahary e
Midera, hankalaza, hanome voninahitra Anao

Maro fahagagana
Nasehonao taminay zanakao e !
Maro fitahiana ty soa be
Fahasoavana tsisy tambiny

Feno hafaliana ty zaho fa miaraka Aminao Baba
Lavitry fijaliana ty foko fa eo ankaikinao Endry e
Fiadanana ndreiky tsy avy tsy Aminao fa saTsiky dia ampymbatra loatra ty fanahiko e !
Eee ! tsara loatra Ianao
Eee ! ka misaotra Anao Tompo ô
Eee ! dera anie ho anao Ray ô
Eee ! dia voninahitra anie ho Anao .

Midera Anao zahay, mankalaza ny Anaranao
Anriamanitra Ray tsitoha nanome fitahiana, fiadanana taminay e !
Indreto zanakao, mitalaho ny indrafona ; Zanahary lolohavina an-tampon-doha
Mankalaza midera Anao mandrakizay
Koa midera Anao ty foko / Mankalaza Anao ty saiko
Koa midera Anao ty foko  / Mankalaza Anao ty saiko
Iraika avao Anao Tompo ô / Tsy misy toa Anao

AMALA
A\C : Abel Randriamalala

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A)
Mpamaky : 76
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Nampionona
Tamin'ny : 24/06/2020 15:15:11
ID : 12852

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo