Andriamanitra Ray Tsitoha (Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ndreiky tsara AnaoAndriamanitra Ray Tsitoha
Fa avy Taminao jiaby zeigny
Ty raha jiaby atoy eee !
Iny masoandro antsinanana iny
Asan-tananao, avy Taminao
Ny maraina mitondra hatsarana vao
Asan-tananao, avy Taminao
Tsika jiaby anakan-Janahary e
Midera, hankalaza, hanome voninahitra Anao
Maro fahagagana
Nasehonao taminay zanakao e !
Maro fitahiana ty soa be
Fahasoavana tsisy tambiny
Feno hafaliana ty zaho fa miaraka Aminao Baba
Lavitry fijaliana ty foko fa eo ankaikinao Endry e
Fiadanana ndreiky tsy avy tsy Aminao fa sambatra loatra ty fanahiko e !
Eee ! tsara loatra Ianao
Eee ! ka misaotra Anao Tompo ô
Eee ! dera anie ho anao Ray ô
Eee ! dia voninahitra anie ho Anao .
Midera Anao zahay, mankalaza ny Anaranao
Anriamanitra Ray tsitoha nanome fitahiana, fiadanana taminay e !
Indreto zanakao, mitalaho ny indrafona ; Zanahary lolohavina an-tampon-doha
Mankalaza midera Anao mandrakizay
Koa midera Anao ty foko / Mankalaza Anao ty saiko
Koa midera Anao ty foko / Mankalaza Anao ty saiko
Iraika avao Anao Tompo ô / Tsy misy toa Anao
AMALA
A\C : Abel Randriamalala
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A)Visites : 966
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Nampionona
Date : 24/06/2020 17:15