You are here: home > Tononkira > Antoko Mpihira MORIA

vola am-bata (Antoko Mpihira MORIA)

toriteny marobe anaty fiara an-dalambe
tsy nohenoinao!
nisy ko tan-tempoly sy voasoratra amim-boky
nolavinao
ny famangian'ireo mpanompo
zay nikiry sy nilofo
niodonanao
pasitera sy ny mpiandry samy tsy tafandrimandry
noroahinao
tsisy iray nandona ny fonao
ny sasany aza niomehezanao
aminao ny rendrarendra sy ny harena ary kilalao no maminao

tadidio anefa fa
vola ambata miliara
trano be miampy fiara
ilaozanao tsy ankisala
rehefa tinga ilay anjara
ditraditra sy ny revy
zay natao tsy nisy bedy
aoriana ianao hiteny fa nanenenakoTsiky dia ampy izy ireny

indro ianao fa manjoretra fa ny namanao rehetra dia nandao
fa ianao zai nantenainy sy mba hany nandrandrainy foana tao
fa ianao nanompo sampy ka nitety vatolampy tsy mba lao
nefa tsy mba nanantena ka nikasa hamono tena izao dian izao
tena very hevitra ianao, tsitanao intsony izay atao
te hivavaka ianao fa indro menatra amin'izay natao

tadidio anefa fa
mbola misy ny fotoana ,Jesosy anie miandry foana
raha tianao ny ho tafahaona dia TONTOSAY NY FANOMPOANA
tsisy oe izaho malemy, andalana omeny hery
ny haratsianao nekeny, ny otanao dia nobabeny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Mpamaky : 50
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : nandrianina2
Tamin'ny : 13/08/2019 17:32:08
ID : 11969

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo