Omeo fo matoky (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa na dia betsaka aza Ray ô!
Ny ahiahy adin-tsaina entin-janakao
Omeo fo matoky ary mino Anao
Mandra-piala ny fanahinay ety

Fa toa takona aminay
Ny masoandrom-piainanay
Ranomaso sentosento lava izao
Omeo fo matoky ary mino Anao
Mandra-piala ny fanahinay ety

Ekenay Ray ô! ny fitiavanao
Ny halemenay notafinao ny herinao tsitoha
fa Ampy ho anay ny fahasoavanao
Mandra-piala ny fanahinay ety

Hazavao ny taratrao ny aizina ao anatinay
ka soloy fo madio sy vaovao
Tantano sy vimbino koa ny lalanay
Mandra-pahatonga ary an-danitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 1970
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ainaericrajoelison
Daty : 30/03/2016 16:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6903