Mionona (Antoko Mpihira MORIA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha toa tsy toa izay mba nirinaoNa hoe tsy mety izay zava-natao
Na maro ireo nanjo tsy ahitan-tory, mampahory
Tsarovy f'Izy eo anilanao
Ka ny vola sy ny harena be
Izay lasa mampirehareha
Ireo izay mba manana azy
Tsy ahatazona ny ainy izany
Na ny avona sy ny avaka
Ataon'ireo hoe manana
Ireny tsy asakana
Sy tsy hiandry ao am-pasana
Ka mionona amin'izay anjaranao
Fa ny mpamonjy tsy mba manary anao
Ka na mahantra be
Sy tsy misy aza eo an-tananao
Matokia
Fa homba anao ny Tompo tia (Kristy)
Tsy metimety ve ny fiainanao
Na tsy ampy ilay Mpanjaka vaovao
Izay Tompon'izao tontolo izao toa anao
Tsarofy f'Izy eo anilanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIAVangy : 73
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tokyrajoelison
Daty : 17/05/2025 17:36
