Miantso Anao (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miantso anao ny Tompo anio
Raiso izy valio
Antson'ny finoana
Antsom-panompoana
Renao ve ny feony
Ho Anao zanany
Ndeha re mba hikasa
Ho isan'ireo mpiasa

Derao ny Anarany
Ankalazao ny asany
Famonjena nasehony
Fahendrena ananany
Tompo be fitiavana

1- Mangeja ny asan-devoly fa tandremo anie izany e
Mitady izy harapany andro aman'alina ka miomana e
Dia miambena Ianao
Vakio Baibolinao e
Dia mibebaha
Fa handresy ianao e

Ref: Ndao hanaraka azy (hidera Anao aho...hatrany hatrany)
Sao tafihin'ny ratsy (hihoby Anao aho...hatrany hatrany)
Meteza mba hovonjeny (hanompo Anao aho...hatrany hatrany)
Fandresena ao Aminy Haleloia (hitory Anao aho...hatrany hatrany) Amen

2- Ny fiainana an-tany miserana ihany ka mora lany e
An-danitra any dia fiaina-mamy mandrakizay e
Koa mihevera ianao oh
Tapaho ny hevitrao e
Dia manaraha
Ilay mahery ianao e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 355
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andrytianarajoelison
Daty : 11/04/2022 18:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795