You are here: home > Tononkira > Antoko Mpihira MORIA

Jesoa Zoky tiana Reharehako (Antoko Mpihira MORIA)

https://tononkira.serasera.org/hira/antoko-mpihira-moria/jesoa-zoky-tiana-reharehako

Aminao Jehovah ô!! no anandratako
Hanandratako ny feo fiderana (Fa satria)
Ianao no andriko sy fiarovako
Tompoko sy Andriamanitro Ianao
Eny antsahan-dembalemba sy ireo lohasaha
Maintso mavamavana maha-te-izaha
Eny antampo-tendrombohitra avoavo be
No hanandratako ny hirako ho re

Eny amoron-drano riaka fifaliana
Ao anaty ala be mangintononkira.serasera.orga (Ao anie)
Ao an'efitranoko sy eny an-dalam-be
No hanandratako ny hirako ho re
Amin'ny andro mibaliaka fifaliana
Amin'ny andro maizina ijaliana
Na toy inona ny hoaviko iainako ety
Hanomanako ilay Edena àry

Ref: n'aiza n'aiza, n'inona n'inona no androko
Na hatraiza na hatraiza no alehako
Hatrizay ka ho mandrakizay no fiainako
JESOA KRISTY ZOKY TIANA REHAREHAKO

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Mpamaky : 935
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ericsmiler1
Tamin'ny : 30/08/2014 10:46:18
ID : 6705

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo