Izy (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny adin’ny finoana, dia aoka hotsaroana
Fa Jeso no kapiteny
Raha Izy no miteny, mibaiko hoe mandrosoa
Dia aoka hankato fa aza mandà ianao
F’Izy irery no hiady, ianao kosa miandry

Izy tsy manao ambozizy, fa miantso moramora
Izy tsy mba mpanao ankivy
Na koa hoe manakora anao
Izy manolotra ny ainy ho anao izay nolalainy
Izy no tena kapiteny, fiadanana no omeny

Raha toa ianao miahotra, na sanatria matahotra
Dia aoka iloana am-bavaka
Fa io no mampiavaka, ny mpianatr’i Jesoa
Indrindra ihany koa, ahazoana hery anaovana
Ny asan’Andriamanitra
Ny tany ho toy ny lanitra

Izy sy ny hazo fijaliana no nampihavana antsika
Izy no famonjena vita, anjaranao no sisa izao
Miaingà ndehana mihavana, handrava ny satana
Kristy, torio tsy misy fetra
Ho an’ny olon-drehetra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 96
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tokyrajoelison
Daty : 09/06/2024 07:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1163