Ry ampitso izay mifono misitery (Andrianary Ratianarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/andrianary-ratianarivo/ry-ampitso-izay-mifono-misitery

Ry ampitso izay mifono misitery,
’Tony ratra ve tsy hanakom-pery,
Ry ampitso ’zay andrasako lazao,
Inona avy re no zavatra entinao.

Moa ny aizina manarona ny tany
Tsy hisava fa hikitroka hatrany,
Moa ny androm-pisentoako dia hitombo?
Moa ny ziogako mafonja diTsiky dia ampya hihombo?

Ry ampitso ô! ny foko mitalaho,
Ary koa ny ranomaso dia mitraho,
Ry ampitso ô! lazao izay fanafody
Hitsaboako ity foko te ho tody.

Moa ny erikao sy ny rivo-doza mafy
Tsy mba hanam-piantona fa hifaly?
Moa ny volana sy kintana eny ambony
Dia hisitrika ka tsy hitranga intsony?

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Andrianary Ratianarivo
Mpamaky : 2641
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ni81
Tamin'ny : 07/10/2008 19:37:32
ID : 5392

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo