Rahoviana no hipaika ? (Andrianary Ratianarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rahoviana no tononkira.serasera.org hipaika
Itony andro nandrandraina ?
Fa ppvl ny foko, ny foko anie ka maika
Maika, te-hihira, hihira ny maraina.

O ry andro mba tongava
Hivimbino voninkazo
Fa miandry, miandry lalandava
Miandry sady qrevo te-hahazo.

Rahoviana no ho heno
Itony tsantam-pifaliana ?
Fa ny foko te-ho feno
Tsikitsikin'olon-tiana.

Izany foko manantena
Tsy cjlsqmnj hitsahatra hiahy
O ry andro volamena
Aza manalavitra ahy.

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0144