Nisava ihany izao ny raho-mitatao (Andrianary Ratianarivo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nisava ihany izao ny raho-mitataoNy lanitra efa manga, fa tena soa fitranga
Ity diavolam-pararano: madio manganohano
Ny aizina hisava; fa tonga ny mazava
Ny alina handao; fa menatra sy lao
Ny fifaliana ihany no sisa tsy ho lany
Ny sento izao mitony, tsy ho fantatra intsony
Ny alahelo foana, tsy hisy ho tsaroana
Hanjary paradisa ny fiainantsika sisa.
Feony sy tonony: Andrianary Ratianarivo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Andrianary RatianarivoVangy : 619
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kalofahiny
Daty : 24/01/2022 05:02