Mendrika ho deraina (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hidera ny Anaranao hatrany
Raha mbola miaina eto an-tany
Hanandratra ny hira sy ny hosana
Ny antsa fiderana
Hatolotray ho Anao

Ref: Hidera Anao izahay
Hanandratra ny voninahitrao
Hosana ho Anao ry' Lay Mpamonjy
Hosana ho Anao ry'Lay Mpanjakanay

2- Fa tsara ny mankalaza Anao
Ambony ny fitiavanao
Ety an-tany hatrany an-danitra any
Hifaly sy hihoby, izao rehetra izao

3- Fa mendrika ho deraina
NY Anaranao ry Zanaky ny Avo
Hosana ho Anao ry'Lay Mpanjakanay
Hosana ho Anao ry'Lay Mpanjakanay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ampifafi
Vangy : 1409
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ampifafi
Daty : 29/10/2017 11:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714