EFA AKAIKY ANDRO FARANY (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1° Efa akaiky antsika ny andro farany
Efa fantatsika ny tantarany
Efa notoriana ilay Anarana
Efa miseho ny famantarana

Fiv:Ho avy anie Jesosy, miomana ianao dieny izao
Mandehana torio ny Filazantsara
Sasao ny akanjonao, miomana ianao dieny izao
Fa ho voavonjy tokoa ity gasikara

2° Efa nandalo tokoa Jesosy
Efa voavoatra ny làlana
Koa isika izay natsangany
No hanambara ny fitiavany

3° Rehefa tonga tokoa ilay ora
Hitsena an'l Jesosy 'reo nofinidiny
Hihira fiderana manakoako
Miaraka amin'ireo Anjely sy ny olo-masina

4° Paradisa soa tena mamiratra
No ho honenantsika any
Tsy mba misy masoandro mamirapiratra
Fa Jesosy Tompo no fahazavana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ampifafi
Vangy : 253
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Malalasanta
Daty : 04/07/2023 09:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739