JEROSALEMA VAOVAO (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miakara mandrosoa ho any jerosalema vaovao
Mankanesa eo ry vazan-tany fa Jehovah ao
Volamena soa ny làlambeny soa dia soa tokoa
Ranomasimbe tsy hita lany fa lasa avokoa
Andriamanitra no masoandrony ka tsy misy aizin’ao

Solo : Ry jerosalema vaovao mba vohay re ny vavahadinao
Maminay maminay ilay tanindrazanay
E! ry tanàna masina sambatré
Reo tonga ao Aminao tianay tokoa
Ny ho mponinao
Zionan’ny fanahy ô ry fiangonana maminay

Mba vohay mba vohay re ny vavahadinao fa maminay
Fa maminay ilay tanindrazanay sambatré sambatré
Reo zay tonga aminao tianay tokoa tokoa
Tianay tokoa ny homponinao
Zionan’ny fanahy ô ry fiangona maminay
Ho ao anaty mandanao zao tontolo izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Vangy : 1269
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njato5
Daty : 29/04/2019 11:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1242