RANO (Amboaram-peo Ny Fahazavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy ny rano mahalasa vinanyMisy ny rano mody mampitomany
Sady amin’izay toa mampihivingivin-doha
Sotroina ihany na dia tsy mahasoa
Rano tsy mahasalama
Rano mahatonga vavana
Rano izay mampirehareha
Ka mampiova fandeha
Misy ny rano tena sarotra atelina
Misy ny rano tena mahadomelina
Izay mampatory mampandry an-tatatra foana
Ka dia any an-kady mifanao fotoana
Rano manimba tempoly
Rano mahatonga devoly
Rano mampanjary sahisahy
Ka be ny fakam-panahy
Fa inona anefa izany rano izany e?
Ny TOAKA e!
Inona a ?!?
Ny TOAKA hoy aho fa ianao koa ouh!
Tena taraiky be aho izany
JESOA ihany no hamoaka
Hanafaka anao amin’ny toaka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Ny FahazavanaVangy : 2216
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 24/05/2005 01:17