Tokinay (AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena))

https://tononkira.serasera.org/hira/am-gaf-antoko-mpihira-gileada-anjomaranny-famonjena/tokinay

1- Raha reraky ny ady mahamay
Mila fiarovan-tena izahay
Aza avelanao hitady hafa indray
Fa ianao no fiherenay(fialofanay)

REFR:
Ianao no vatolampy
Ka aronay (aronay tokoa)
Ny Fitiavanao dia ampy
Ho tanjakay (tanjakin'ny fo)
Haritray ny ady mafy
Fa tokinay Ray o!
Tokinay ny FitiavTsiky dia ampyanao

2- Raha sarotra ny lalanay ety
Ka tsaroana ho mavesatra ny dia
Dia tohanonao izahay mba tsy hania
Fa ianao no tena Tompo (Tompo be fitia)


REFR:
Ianao no vatolampy
Ka aronay (aronay tokoa)
Ny Fitiavanao dia ampy
Ho tanjakay (tanjakin'ny fo)
Haritray ny ady mafy
Fa tokinay Ray o!
Tokinay ny Fitiavanao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena)
Mpamaky : 849
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : bigdog
Tamin'ny : 08/11/2014 16:56:51
ID : 6835

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo